John 16

1‘’Nolazaiko taminareo izany zavatra rehetra izany mba tsy ho solafaka ianareo. 2Ho roahin’izy ireo ao amin’ny synagoga ianareo. Fa tonga ny andro rehefa hihevitra izay rehetra mamono anareo fa izy ireo dia manolotra zavatra tsara ho an’Andriamanitra.

3Ho ataon’izy ireo izany satria tsy mahalala ny Ray na ny Tenako izy ireo. 4Nolazaiko anareo ireo zavatra ireo mba rehefa avy ny oran’izy ireo, dia ho tsaroanareo fa efa nolazaiko taminareo ny momba azy ireo. Tsy nambarako taminareo ireo zavatra ireo tany am-piandohana, satria mbola teo aminareo Aho.

5Fa Ankehitriny ho any amin’Ilay naniraka Ahy Aho, nefa tsy mbola nisy nanontany Ahy ianareo hoe: ‘’Handeha ho aiza moa Ianao?‘’ 6Fa satria nolazaiko taminareo ireo zavatra ireo, dia alahelo no nameno ny fonareo. 7Fa lazaiko marina aminareo, tsara kokoa ho anareo ny handehanako. Satria raha tsy mandeha Aho, dia tsy ho tonga aminareo ny Mpampahery, fa raha mandeha Aho, dia handefa azy ho aminareo.

8Rehefa tonga izy, dia hanaporofo amin’izao tontolo izao ho diso momban’ny fahotana, ny fahamarinana, ary moban’ny fitsarana— 9momban’ny fahotana ny mpampahery, satria tsy mino Ahy izy ireo; 10momban’ny fahamarinana, satria hody any amin’ny Ray Aho, ka tsy ho hitanareo intsony; 11ary momban’ny fitsarana, satria ny mpanapaka izao tontolo izao dia notsaraina.

12Manana zavatra maro hambara aminareo Aho, fa tsy ho azonareo ny hevitr’izany izao. 13Kanefa, rehefa tonga izy, Fanahin’ny Fahamarinana, dia hitarika anareo ho amin’ny fahamarinana rehetra, satria tsy hiteny avy amin’ny tenany izy. Fa hilaza izay rehetra reny izy, ary hilaza aminareo ireo zavatra izay ho avy. 14Hanome voninahitra Ahy izy, satria ny avy amin’ny Ahy ihany no hambarany aminareo.

15Izay rehetra anana’ny Ray dia Ahy. Noho izany, niteny Aho fa ilay Fanahy dia haka amin’izay Ahy ary hiteny izany aminareo. 16Afaka fotoana fohy dia tsy hahita Ahy intsony ianareo, ary afaka fotoana fohy hafa dia hahita Ahy indray ianareo.”

17Avy eo ny sasany tamin’ireo mpianany nifampiresaka hoe: ‘’Inona ary izany lazainy antsika izany hoe: ‘Afaka fotoana fohy dia tsy hahita Ahy intsony ianareo ary afaka fotoana fohy hafa dia hahita Ahy indray ianareo,’ sy hoe: ‘Satria ho any amin’ny Ray Aho’?” 18Noho izany dia hoy izy ireo hoe: ‘’Inona ary izany lazainy izany hoe: ‘afaka fotoana fohy’? Tsy fantatray ny tiany hambara.”

19Hitan’i Jesosy fa te-hanontany Azy izy ireo, dia hoy Izy tamin’izy ireo hoe: ‘’Izao ve no anontanianareo tena, dia ny tiko hambara amin’ny fitenenana hoe: ‘Fotoana fohy sy tsy hahita Ahy intsony ianareo, ary afaka fotoana fohy indray nefa dia hahita Ahy ianareo’? 20Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa hitomany ianareo ary hitaraina, fa izao tontolo izao kosa hifaly. Ho feno alahelo ianareo, kanefa ho lasa hafaliana izany alahelonareo izany. 21Rehefa mihetsi-jaza ny vehivavy iray dia malahelo satria tonga ny fotoany, fa rehefa teraka kosa ilay zazakely, dia tsy tsaroany intsony ny alahelony nohon’ny hafaliany fa nisy zazakely teraka eo amin’izao tontolo izao.

22Ka malahelo ianareo ankehitriny, kanefa Aho mbola hiaona aminareo indray, ary ho faly ny fonareo, ary tsy hisy hanaisotra izany hafalianareo izany aminareo. 23Amin’izany andro izany dia tsy hangataka amiko na inona na inona ianareo. Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, raha mangataka na inona na inona amin’ny Ray amin’ny anarako ianareo, dia homeny anareo izany. 24Hatramin’izao anefa tsy mbola nanagataka na inona na inona tamin’ny anarako ianareo. Mangataha, dia homena ianareo mba ho feno ny hafalianareo.

25Efa nolazaiko taminareo tamin’ny fanoharana ireo zavatra ireo, fa avy ny ora rehefa tsy hiresaka aminareo amin’ny fanoharana intsony Aho, fa kosa hilaza aminareo mazava ny momban’ny Ray.

26Amin’izany andro izany dia hangataka amin’ny anarako ianareo ary tsy hilaza anareo Aho hoe hivavaka amin’ny Ray ho anareo, 27fa ny Ray mihitsy no tia anareo satria nitia Ahy ianareo ary nino fa avy any amin’ny Ray Aho. 28Avy amin’ny Ray Aho, ary tonga teto an-tany. Fa handao izao tontolo izao Aho ary ho any amin’ny Ray.”

29Hoy ny mpianany taminy hoe: ‘’Jereo, Ankehitriny Ianao miteny mazava tsara ary tsy mampiasa fanoharana. 30Fantatray ankehitriny fa mahalala ny zava-drehetra Ianao, ary tsy misy tianao hametraka fanontaniana aminao. Noho izany, dia mino izahay fa avy amin’Andriamanitra Ianao.” 31Namaly azy ireo Jesosy hoe: ‘’Mino amin’izay ve ianareo?

32Indro, tonga izao ny ora, eny, tonga tokoa, rehefa hiparitaka ianareo, ny tsirairay samy any amin’ny tranony avy manokana, dia havelanareo irery Aho. Nefa tsy irery Aho satria miaraka amiko ny Ray. Efa nolazaiko taminareo ireo zavatra ireo mba hanana fiadanana ato Amiko ianareo. Manan’olana ianareo eto amin’izao tontolo izao, nefa mahereza: efa nandresy izao tontolo izao Aho.”

33

Copyright information for PltULB